Nanana ny nambara avokoa ireo solombavambahoaka tonga nivory teny Tsimbazaza tamin’ny fisehoan-javatra nitranga omaly alarobia 11 febroary mikasika ny tsy fahazotoan’ny ankamaroan’izy ireo hihaino ny tatitra tokony ho nataon’ny praisministra Ravelonarivo Jean voafaritra anatin’ny lahadinika hodinihana amin’izao fivoriana tsy ara-potoana faharoa hatrehan’izy ireo izao
. Niraisan’ny ankamoroany feo moa ny amin’ny hoe fisian’ny firaisan-kinan’ny depiote amin’ny tsy fanomezana lanja azy ireo. Marihina fa tsy nety hiditra ny efitrano fivoriana noho ny tsy fahazoana valiny mazava ny amin’ny “requête” nalefan’izy ireo any amin’ny HCC ny am-pahana depiote Mapar. Tao indray ireo mila valina mazava amin’ny resaka fahazoana fiara 4 x 4. Tena ilainay amin’ny asa atao ny fiara angatahana, hoy ohatra ny depiote Laisoa Jean Pierre na i Jaovato, sady zoanay koa ny hahazo izany. Voalaza moa fa nametraka fifanarahana roa ry zareo ny amin’ny fahazoana io fiara io ka ny voalohany dia hoe mijanona ho fiaram-panjakana no homena dia mandray vonona ry zareo ka ho hita eo ny vokany amin’ny mety tsy fahatomombanan’ny fikojakojana. Faharoa dia hoe hovidian-dry zareo tanteraka ilay fiara dia aloa tsikelikely amin’ny karamany ary azy ireo manontolo amin’izany ny fikojakojana. Soso-kevitra amin’ny fisian’ny tsy fitovian-kevitra ny fifampidinihana ambony latabatra, hoy ihany ny depiote Jaovato. Anio alakamisy no voalaza fa hatomboka amin’ny fandaniana ny volavola fandaharam-potoana ny fivoriana vao mandray ny praiminisitra sy ny ekipany avy eo. Dia ho hita eo indray ny ho tohin’ny tantara.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.