Voasaron’ny fifidianana noteren-ko masaka fotsiny hatreto ny fiverenan’ny firenena Malagasy ao anatin’ny valan’ny Lalŕmpanorenana. Mbola miorim-paka ao anatin’ireo mpitondra fanjakana ankehitriny mantsy ny finiavana tsy te-hiala amin’ny fanitsahan-dalŕna izay nahazo vahana hatramin’ny taona 2009
. Vanim-potoana nampisongadina ireo vondron’olona nitonona ho mpanohitra ny jadona saingy nampiasa hery kosa mba ahatongavana eo amin’ny fitondrana. Hita soritra nanomboka teo ireo karazana tsy fandikan-dalàna toy ny fanaovana amboletra ny fitsapan-kevi-bahoaka tsy nankatoavin’ny maro an’isa, ny fisamborana olona tsy manaraka ny didy aman-dalàna na koa ny fandrarana olom-pirenena Malagasy tsy mahazo mody eto an-tanindrazany. Mampiavaka ity Repoblika faha-IV ity rahateo tao anatin’izay herintaona mahery izay ny fanohizana ny tsy fanarahan-dalàna hasehon’ireo mpitondra vaovao. Dia mbola mitohy koa ve izany ny fisokajin’izao tontolo izao azy ireo ho mpanongam-panjakana ka mahatonga ny fihisatry ny famatsiam-bola avy amin’ireo firenena mpiara-miombon’antoka ? Mampieritreritra.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.