Nahitsy fiteny Rtoa Christine Razanamahasoa, depioten’Ambatofinandrahana sady mpandrindra nasionalin’ny MAPAR, nitafa manokana taminay omaly naraina, tetsy Amparibe
. Nambaran’ity minisitry ny fitsarana nandritra ny tetezamita ity, fa « miverina ny jadona ataon’ny mpitondra amin’izao noho ny fanitsakitsahana ny lalàmpanorenana, ary tsy ara-dalàna ny fanendrena ny praiminisitra Jean Ravelonarivo noho ny tsy fanajana ny andininy faha-54. Tsy tafapetraka ny Haute Cour de Justice araka ny voafaritry ny lalàna ka mila motion de déchéance ny fanesorana azy amin’ny toerany ny filoham-pirenena ».
Mila madio fo
« Tetika ataon’ny HVM hanapotehana ny MAPAR sy Andry Rajoelina ny famakivakiana ny AV7, nefa kajikajy politika tsy mahomby izany, satria ny antoko eo amin’ny fitondrana dia tsy manana fototra akory », hoy ity filohan’ny Antenimieram-pirenena teo aloha. Ny mahakasika ny “ bois de rose ” sy ny fampihavanam-pirenena kosa, dia soso-kevitra natolony : « amidio ireo tahirin’ Andramena, nefa ataovy ao anaty mangarahara izany, mba hamahana ny olana ara-tsosialy eto amintsika fa miaina ao anaty fahantrana tanteraka ny vahoaka. Ary mila madio fo lavitry ny fihatsaram-belatsihy sy mifamela tanteraka ireo filoha dimy nampihaonin’ny FFKM, avy eo manao fifanarahana politika mazava ampahafantarina ny vahoaka, dia milamina ny raharaha, satria ny vahoaka manaraka izay voalaza, sady fanajana ny soatoavina malagasy koa izany ».
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.