Heno indray tato ho ato ny fitsanganan’ny vondron’ireo gadra politika hafa hitaky manokana onitra izay heverin’izy ireo fa zo tokony homena azy noho ny fahavoazany nandritra ny fotoana naharitra nihibohany tany am-ponja.
Nitondra fanamarihana an-gazety ny jeneraly Raoelina izay anisan’ireo gadra politika voaresaka betsaka no izy voalaza fa voarohirohy tamin’ny raharaha 7 febroary 2009. Nanambara izy fa tsy mbola nametraka taratasy fangatahana onitra izany ny tenany satria heveriny fa tsy laharam-pahamehana aminy izany ary izy rahateo tsy naheno ny amin’ny fananganana an’io vondrona gadra politika io.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.