Politique

Praiminisitra Jean Ravelonarivo Voaroaka teny Tsimbazaza


  • Alakamisy 12 Febroary 2015

Tsy afa-nijanona ela fa dia nanao tsidi-pahitra teny amin’ny antenimieram-pirenena fotsiny omaly ny governemanta notarihin’ny praiminisitra Jean Ravelonarivo, niresaka fotoana fohy tamin’ny filohan’ny antenimieram-pirenena sy ny birao maharitra ingahy praiminisitra ary dia nirifatra nivoaka ny trano avy eo, sanatria tahaka ireny olona mitsoaka na voaroaka ireny

 

. Tsy tanteraka ny famelabelarana ilay politika ankapoben’ny fitondram-panjakana satria tsy neken’ireo solombavambahoaka ny hitenenan’ny praiminisitra, noho ity farany tsy fantatra mazava na ara-dalàna marina na tsia ny fanendrena azy. Nisy tokoa mantsy ny fangatahana napetrak’ireo andiana depiote MAPAR teny amin’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) mahakasika ny fanendrena ny praiminisitra Jean Ravelonarivo. Omaly tolakandro vao namaly azy io ny HCC ary nanamafy fa ara-dalàna ny fanendrena. Omaly maraina anefa no nikasa ny hiaka-dapa teny Tsimbazaza ingahy praiminisitra.

Tsy mahay mifandamina

Hafahafa ihany ny fandinihana izao sangodim-panina rehetra izao, mampametra-panontaniana ihany tokoa ny hoe :mbola misy ny fandinihana ataon’ny HCC kanefa dia mampiantso fivoriana tsy ara-potoana ho an’ny antenimieram-pirenena ny fahefana mpanatanteraka ary efa namaritra mialoha ny daty sy ny ora hamelabelaran’ny praiminisitra ny politika ankapoben’ny fitondram-panjakana.Tsy azo natao ve mba hampirindra kokoa ny asa ny niandry izay fanapahan-kevitry ny HCC, izay vao nampiantso ny fivorian’ny solombavambahoaka ?Resahana foana ny hoe fanjakana tan-dalàna, ka tsy ny mpitondra ambony ve no tokony ho hampiseho ny ohatra tsara amin’ny fanajana ny lalàna e ? Tahaka ny manaporofo hatrany ny tsy fahamatoran’ny fomba fiasa eo amin’ity fitondrana ity tranga omaly ity.Ary ny tena mampatahotra ny rehetra, araka ny resaka re tetsy sy teroa dia ny hoe : ry zareo samy mpitondra sy manampahefana ao ambony ao aza tsy mahay mifandamina, ka ahoana moa no hahaizan’izy ireo mandamina sy mitantana ny firenena ? Efa nilaza moa ny HCC fa ara-dalàna indray ny fanendrena ny praiminisitra koa dia hiverina ho eny Tsimbazaza indray izany ny governemanta, saingy amin’ity anio ity aloha dia milaza ny mbola handinika ireo lahadinika mandritra izao fivoriana tsy ara-potoana faharoa izao ireo solombavambahoaka, dia ho hita eo indray ny tohiny !


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT