Tafaverina an-tanindrazana ny talata teo rehefa nivahiny henemana tany Vallée d’Aoste any Italia ny depioten’i Madagasikara Raherisoa Vololona Victorine voafidy teny amin’ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo. Voatendy hisolontena ny parlemantera malagasy izy nanatrika ny fivorian’ny vehivavy parlemantera miteny frantsay atao hoe :
«Réunion intersessionelle des réseaux des femmes parlemantaires » notontosaina nandritra ny roa andro tao amin’ity tanàna ity. Firenena 23 no voasolontena tamin’izany ka nisongadina tao ny fanaovana tomban’ezaka ny fanambarana sy fandaharanasa Beijing, 20 taona aty aoriana, izay niompana tamin’ny fampivoarana ny vehivavy sy tovovavy, tahaka ny fampidirana an-tsekoky ny ankizy vavy ary ny fijerena ny fampivoarana ny vehivavy amin’ny ankapobeny. Tafiditra tao koa ny fanafoanana ny elanelana misy eo amin’ny lahy sy ny vavy. Fa manana zo ho karakaraina tahaka ny lehilahy ihany koa ny vehivavy. Mila asiana maso ny vehivavy sy ny fijaliana mandritra ny fiainany manontolo. Hita tokoa, hoy ity depiote ity, fa efa lasa lavitra ny firenena any Eoropa eo amin’ny fandrosoana raha oharina amin’ny eto amintsika eto Madagasikara.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.