• Talata 24 Martsa 2015
Politique.Praiminisitra Ravelonarivo Nisaotra ny fahendren’i Dada

Nisaotra ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana ny praiminisitra ny Jeneraly Jean Ravelonarivo. « Fihetsika maneho fitiavan-tanindrazana sy modely ho an’ny fampihavanam-pirenena ny fihetsika nasehon’Atoa Marc Ravalomanana nampiato ny fihetseketsehana teny amin’ny Magro », hoy ny praiminisitra. Hankalaza tsy ho ela ny 29 martsa i Madagasikara izao ka ho an’ny Jeneraly Jean Ravelonarivo dia tsy very maina ny ezaka nataon’ireo Raiamandreny taloha nandatsaka ny rany ho an’ny tanindrazana. Ohatra iray lehibe amin’ny fiaraha-miasa hanarenana ny fiainam-pirenena izao ataon’ Atoa Marc Ravalomanana izao ka tokony halain-tahaka hoy ny lehiben’ny governemanta izay nanao antso avo amin’ny mpiray tanindrazana mba hiara –miasa.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 24 Martsa 2015
Politique.Zanaka mpitondra voasambotra any Bangkok Nilaza ny heviny ny praiminisitra

Hentitra ny praiminisitra ny amin’ny fiarovana ny harem-pirenena Malagasy. Na volamena na boaderozy dia tsy hatao ambanin-javatra ny fikarohana izay mpanodikodina ny harem-pirenena. Mahakasika ilay voalaza fa zanak’olona ambony tratra nanao risoriso na boaderozy sy volamena ary rongony any Bangkok(Thailande) dia nanambara ny

Hamaky ny tohiny
  • Talata 24 Martsa 2015
Politique.Andry Rajoelina Mikoropaka sao ho rava ny Repoblika faha-4

Nisintaka tsy hanohy ny dinika fampihavanam-pirenena tarihin’ny FFKM miaraka amin’ireo filoham-pirenena teo aloha telo mirahalahy sy ny filohan’ny Repoblika ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina. Mipoitra ary milaza hitarika fihaonambe ny praiminisitra voalohany tamin’ny tetezamita, Monja Roindefo. Milaza ny hitarika olona eny an-dalambe i Alain Ramaroson,

Hamaky ny tohiny
  • Talata 24 Martsa 2015
Politique.Green Gasikara Ravao io FFM io

Manana ny ambarany mikasika an’ilay fanemorana ny fihaonambe nasionaly hanatanterahana ny fampihavanam-pirenena ny antoko politika Green Gasikara. Nolazainy fa raha vao nitsoaka an-daharana tamin’ny dinika ireo anankiroa tamin’izy 5 mianaka efa nitondra ny firenena dia efa nanambara ry zareo fa tokony hampihavanina aloha izy 5 ireo vao hotohizana indray ny manaraka. Tsy nety anefa ny FFKM, hoy ny Green Gasikara fa nalefany ihany ilay izy ka izao no vokany.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 24 Martsa 2015
Politique.Korea atsimo Hampindrana 30 tapitrisa dolara an’i Madagasikara

Hampindrana vola 30 tapitrisa dolara an’i Madagasikara ny Koreanina tatsimo. Homena ny Birao nasionaly misahana ny loza voajanahary eto Madagasikara io vola io. Hiompana indrindra amin’ny fanampiana ireo rava trano sy rava sekoly, hopitaly Izany. Io no nambaran’ny praiminisitra ny Jeneraly Jean Ravelonarivo omaly teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo taorian’ny nandraisany ireo parlemantera Koreanina tatsimo.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 24 Martsa 2015
Politique.Zanatany Frantsay fahiny Tsy afa-bela amin’ny fahantrana

Zanatany eoropeanina ny ankamaroan’ireo firenena afrikanina. Nifampizaran’i Portugal, Alemana, Holandy, Italia ary Frantsa tokoa mantsy ny fitantanana ara-politika sy ara-toekarena teto Afrika nandritra ny taonjato faha-19. Niverina nahaleotena kosa ireo firenena teto Afrika ireo rehefa tonga ny tapaky ny taonjato faha-20. Tsy mitovy anefa ny taham-pandrosoan’ireo firenena afrikanina voazanaka teo aloha ireo. Misy ireo efa lasa lavitra tokoa tahaka ireo firenena zanatany anglisy

Hamaky ny tohiny
FTT