Politique

Zanaka mpitondra voasambotra any Bangkok Nilaza ny heviny ny praiminisitra


  • Talata 24 Martsa 2015

Hentitra ny praiminisitra ny amin’ny fiarovana ny harem-pirenena Malagasy. Na volamena na boaderozy dia tsy hatao ambanin-javatra ny fikarohana izay mpanodikodina ny harem-pirenena. Mahakasika ilay voalaza fa zanak’olona ambony tratra nanao risoriso na boaderozy sy volamena ary rongony any Bangkok(Thailande) dia nanambara ny

 

 praiminisitra fa misy ny tribonaly manokana handray ny raharaha  boaderozy eto Madagasikara. Efa nambarany tany Farafangana io fandaharan’asany io ary nanamafy ny lehiben’ny governemanta  fa raha mbola izy koa no praiminisitra dia tsy hanaiky ny harem-panjakana ho verivery foana.  Nasiany teny ny mikasika ny volamena. Ny tatitra voarainy  teo amin’ny nidirany  tao Mahazoarivo  dia nilaza fa 80 kg ny volamenan’ny  Malagasy very. Ny tahirim-bola iraisam-pirenena anefa nilaza hoy ny praiminisitra fa 2 taonina ny volamenan’ny Malagasy very.

Tsaho ?

Tokony ho jerena tsara anefa hoy ny Jeneraly Jean Ravelonarivo fa maro koa ny tsaho entina handotoana olona rehefa tsy  hita izay hanenjehana azy ka tokony ho tandremana  ihany ny tsy tokony hanaparitahana tsaho. Misy milaza hoy ny praiminisitra fa ny tenako no nitondra ny helikoptera tamin’ny faha 10 n’ny volana aogosotra 1991, marihako anefa hoy izy fa Antonov  26 sy  fiaramanidina kely no fitondrany tamin’izy  mpanamory  fa tsy mbola nanamory helikoptera izany ny tenany fa fanaratsiana fotsiny no betsaka.

Andry Ratovo    

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT