Nisaotra ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana ny praiminisitra ny Jeneraly Jean Ravelonarivo. ォ Fihetsika maneho fitiavan-tanindrazana sy modely ho an地y fampihavanam-pirenena ny fihetsika nasehon但toa Marc Ravalomanana nampiato ny fihetseketsehana teny amin地y Magro サ, hoy ny praiminisitra. Hankalaza tsy ho ela ny 29 martsa i Madagasikara izao ka ho an地y Jeneraly Jean Ravelonarivo dia tsy very maina ny ezaka nataon段reo Raiamandreny taloha nandatsaka ny rany ho an地y tanindrazana. Ohatra iray lehibe amin地y fiaraha-miasa hanarenana ny fiainam-pirenena izao ataon� Atoa Marc Ravalomanana izao ka tokony halain-tahaka hoy ny lehiben地y governemanta izay nanao antso avo amin地y mpiray tanindrazana mba hiara 卜iasa.
Nivoaka ny vola
Omaly nandritra ny fandraisana ireo solontenan’ny « Banque Européenne pour l’investissement » na BE I sy ny masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina dia nanambara ny praiminisitra fa ny avy any ivelany aza antsoina hiara-miasa mba hampandrosoana ny firenena ka tsy tokony hisalasala ny mpiray tanindrazana hiditra an-tsehatra. Telo andro aty aorian’ny nampiatoana ny hetsika teny amin’ny Magro dia tonga ny vondrona Eoropeanina sy ny BEI nanao ny fanambarana amin’ny fahavononan’izy ireo hiara-miasa amin’i Madagasikara. 75 tapitrisa euros hamatsiana ny rano fisotro madio, ho fanatsarana ny tontolon’ny herinaratra. 60 tapitrisa euros hafa mbola hanatsarana ny momba ny famatsiana herinaratra sy ny rano fisotro madio ihany. 395 tapitrisa euros ho an’ny fanamboaran-dalana ho an’ny lalam-pirenena faha 13, faha-6, faha-12 A sy ny faha-5 A.. Ho fanarenana ny orinasa Jirama ihany koa dia hanokana 25 tapitrisa euros izay hamatsiana milina faha-4 ho an’Andekaleka ihany koa ny BEI sy ny vondrona Eoropeanina. Ho fanampiana an’i Madagasikara taorian’ny tondra-drano sy rivodoza dia miandry ny fanambarana izay ilain’ny governemanta Malagasy ny BEI.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.