Politique

Andry Rajoelina Mikoropaka sao ho rava ny Repoblika faha-4


  • Talata 24 Martsa 2015

Nisintaka tsy hanohy ny dinika fampihavanam-pirenena tarihin’ny FFKM miaraka amin’ireo filoham-pirenena teo aloha telo mirahalahy sy ny filohan’ny Repoblika ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina. Mipoitra ary milaza hitarika fihaonambe ny praiminisitra voalohany tamin’ny tetezamita, Monja Roindefo. Milaza ny hitarika olona eny an-dalambe i Alain Ramaroson,

 

 mpikambana teo aloha tao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita. Kisendrasendra sa efa nomanina izao fihetsik’izy ireo izao ? Fihetsika izay azo hazavaina tsotra ihany anefa. Anisan’ny hevi-dehibe nivoitra tamin’ireo dinika fakan-kevitra momba ny fampihavanam-pirenena nataon’ny FFKM nanerana ny Faritra ny fiandohan’ny volana martsa teo ny hanovana io lalàmpanorenana ankehitriny io, fa tsy mitondra fitoniana eto Madagasikara, hoy ny mpizaika, ka hisy famolavolana lalàmpanorenana roa na telo haroso hisafidianan’ny Malagasy. Mbola hisy moa ny fihaonambe nasionaly momba ny fampihavanana handravonana ireo hevitra tinapaky ny mpizaika teny anivon’ny Faritra. Raha voatazona izay fanovana lalàmpanorenana izay dia hampamangy (sahady) ny Repoblika faha-4 ary dia hofafana hanaraka azy any koa ny anaran-dry Andry Rajoelina sy ireo lohandohan’ny mpisorona niaraka taminy nitarika ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009, anisany ry Monja Roindefo mbamin-dry Alain Ramaroson, dia ireo mikoropaka ireo.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT