Zanatany eoropeanina ny ankamaroan’ireo firenena afrikanina. Nifampizaran’i Portugal, Alemana, Holandy, Italia ary Frantsa tokoa mantsy ny fitantanana ara-politika sy ara-toekarena teto Afrika nandritra ny taonjato faha-19. Niverina nahaleotena kosa ireo firenena teto Afrika ireo rehefa tonga ny tapaky ny taonjato faha-20. Tsy mitovy anefa ny taham-pandrosoan’ireo firenena afrikanina voazanaka teo aloha ireo. Misy ireo efa lasa lavitra tokoa tahaka ireo firenena zanatany anglisy
. Mandroso mihemotra kosa ny ampahany betsaka amin’ireo firenena teo ambany vahohon’i Frantsa toa an’i Tchad, Cote d’Ivoire, Gabon, RDC, Togo na koa i Centrafrique. Tsy adino ao anatin’io lisitra io i Madagasikara izay tsy mety afa-bela amin’ny fahantrana taorian’ny 55 taona niverenan’ny fahaleovantenany.
Korontana politika sy ady lava
Firenena miisa 48 no voasokajin’ny fikaonandohan’ny Firenena mikambana misahana ny Varotra sy Fampandrosoana tamin’iny taona 2014 iny ho mihisatra eo amin’ny lafiny fampandrosoana. Maro amin’ireo no firenena afrikanina nozanahan’i La Frantsa. Tranga roa goavana mahatonga ireo firenena ireo mijanona ho mahantra ny fiverimberenan’ny korontana ara-politika matetika toy ny zava-misy nolalovan’i Madagasikara hatramin’ny niverenan’ny fahaleovantenany tamin’ny taona 1960 na ny ady lava tsy misy farany toy ny hita ao Tchad na koa i Cote d’Ivoire. Tafiditra ao anatin’ny politika ivelan’ny firenena frantsay hatrizay mantsy ny mitsabaka hatrany amin’ny raharahan-tokantranon’ireo firenena nozanahany na dia efa mahaleotena aza izy ireo. Nahatratra 45, ohatra, ny fanonganam-panjakana nitranga tao anatin’ireo firenena zanatany frantsay 16 tao anatin’ny 50 taona farany.
Fahantrana ara-toekarena
Tompondakan’ny harin-karena eto Afrika ireo firenena zanatany anglisy, araka ny fanadihadiana ara-toekarena tao anatin’ny 10 taona farany. Raha raisina ohatra ny harin-karena ankapoben’ireo firenena zanatany anglisy mpikambana ao amin’ny «Communauté de l’Afrique de l’Est» ahitana an’i Kenya, Tanzania na koa Ouganda dia nahatratra 6,2% ny salan’isa tamin’ny taona 2012. 3,7% sy 4% fotsiny kosa io taha io ho an’ireo firenena zanatany frantsay mpikambana ao amin’ny «Union économique et monétaire ouest-africaine» sy ny «Communauté économique et monétaire de l’Afrique centrale». Lesoka ho an’ireo firenena zanatany frantsay mahantra ny tsy fahampian’ireo fotodrafitrasa eo amin’ny sehatry ny angovo, rano ary ny tontolon’ny fitaterana. Hantsana goavana maha-samihafa ny anglisy sy frantsay ihany koa ny lafiny ara-kolontsaina izay hita taratra eo amin’ny fandraharahana eto Afrika.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.