Hampindrana vola 30 tapitrisa dolara an’i Madagasikara ny Koreanina tatsimo. Homena ny Birao nasionaly misahana ny loza voajanahary eto Madagasikara io vola io. Hiompana indrindra amin’ny fanampiana ireo rava trano sy rava sekoly, hopitaly Izany. Io no nambaran’ny praiminisitra ny Jeneraly Jean Ravelonarivo omaly teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo taorian’ny nandraisany ireo parlemantera Koreanina tatsimo.
Matotra ny fiaraha-miasa amin’ny firenena roa tonta raha araka ny fanazavan’ny praiminisitra. Porofon’izany dia hitsangana tsy ho ela eto Madagasikara ny masoivoho Koreanina tatsimo hanamafisana orina ny fiaraha-miasa. Eo amin’ny fifandraisana ara-toekarena dia nahazo fanasana avy amin’ny fanjakana koreanina tatsimo ny praiminisitra Jean Ravelonarivo mba hijerena akaiky ny fiaraha-miasa azo atao eo amin’ny firenena roa tonta eo amin’izay lafiny ara-ekonomika izay. Fantatra ihany koa fa nisy fifanarahana eo amin’ny firenena roa tonta ka voafaritra amin’izany fifanarahana izany ny handraisan’ny fanjakana koreanina anjara amin’ny fandoavana ny taxe sur la valeur ajoutée (TVA) ny orinasa Ambatovy. Nitarika ity delegasiona ity atoa Tae-Ho KIM, manampahefana laharana fahatelo eo amin’ny fanjakana koreanina tatsimo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.