Politique

CENI-T Mbola i Atallah Béatrice no filoha ?


  • Alakamisy 23 Aprily 2015

Raha ny tranonkala ofisialin’ny CENI-T (http://www.ceni-madagascar.mg/) no tsidihina dia mbola i Atallah Béatrice Jeanine no filohan’ity vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana ity

 

. Mbola ny sariny sy ny teniny no misongadina amin’io tranonkala io. Misy antony manokana ary ve ny tsy nampanarahana ny toetr’andro io tranonkala io sa fanadinoana fotsiny ihany, satria toa mampitombo ny ahiahin’ny maro hoe hisy ihany sa tsy ny fifidianana kaominaly amin’ny 31 jolay 2015 ? Efa tamin’ny 25 janoary 2015 mantsy i Atallah Béatrice Jeanine no voatendry ho minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy ary, iray volana toarian’io fanendrena azy io izy no efa namindra fahefana tamin’ny zokiolona tamin’ireo filoha lefitra, araka ny voatondron’ny lalàna, dia Ralaiariliva Ndrina Mamy. Ity farany, araka ny fanapahana laharana faha-003/CENI-T/D/2015 noraisin’ny CENI-T tamin’ny ny 06 febroary 2015 no manao ny asan’ny filoha mandra-pahatapitry ny fe-potoam-piasan’ny CENI-T, izany hoe aorian’ny fifidianana kaominaly izay fifidianana hany sisa karakarainy araka ny andininy faha-2 ao amin’ny didim-panjakana nivoaka tamin’ny 30 desambra 2014.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT