Tantara mitohy ! Tsy noraisin’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) ny fitoriana fanonganana ireo solombavam-bahoaka miisa fito dia i Maroriky (Befotaka-Sud), Raherisoa Vololona Victorine (Antananarivo VI), Randrianasolo Volatiana Pauline (Vondrozo), Hanitriniaina Mamy Armand (Miandrivazo), Farhad Houssen (Maintirano),
Raveloson Ludovic (Mahabo) ary Andrianjaka Samson Goulzar (Ampanihy Ouest), voafidy tamin’ny lisitra MAPAR napetrak’i Christine Razanamahasoa Rakotozafy, mpandrindra nasionalin’ity vondrona politika ity tamin’ny 1 aprily 2015. Araka ny fanapahana laharana faha-23-HCC/D3 tamin’ny 22 aprily 2015 navoakan’ny HCC dia ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, na ny mpifidy ao amin’ny fari-pifidianana nahavoafidy ilay solombavam-bahoaka na ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana amin’ny tetezamita (CENI-T) na ny rantsamangaikany ihany no afaka mangataka fanonganana solombavam-bahoaka amin’ny toerany, fa tsy mpitarika antoko na vondrona politika. Mazava ny amin’iny. Mety ho efa nampoizin’ny MAPAR ihany io valin-tenin’ny HCC io matoa nataony mitsitaitaika fa tsy nampiarahina indray maka ireo depiote roapolo mahery nambara fa tsy manaraka fitsipika sady namadika palitao ka hoesoriny. Tsy vao izao ihany koa ny MAPAR no nametraka fitoriana teny amin’ny HCC, fa efa tantara lava hatrany amin’ny fanendrena ny praiminisitra Kolo Roger, saingy tsy mahita rirany eny Ambohidahy. Toa karazany fifampitsapana fahaizana lalàna ihany araka izany ny an’ny roa tonta. Mety milamindamina koa angamba ny eny Ambohidahy eny dia omen’ny MAPAR devoara matetika, ka asa inona indray ny manaraka ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.