Politique

Ravalomanana Marc Nihaona tamina ambasadaoro indray


  • Alakamisy 23 Aprily 2015

Nandray masoivoho vahiny teny amin’ny trano fonenany tetsy Faravohitra indray omaly ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc, tokony ho tamin’ny 10 ora maraina. Tsy nisy moa ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety saingy voamarina fa nisy tokoa ny fihaonan’io masoivoho vahiny avy amina firenen-dehibe iray io tamin’Atoa Ravalomanana. Araka ny

 


 

tombantombana dia niompana tamin’ny fampihavanam-pirenena ny dinika, indrindra ny amin’ilay  fisitahan-dRavalomanana Marc tsy hanohy intsony ny dinika fampihavanana karakarain’ny FFKM raha tsy foanan’ny fanjakana haingana ilay didim-panjakana manageja azy sy raha tsy hajaina ny zo fototra maha filoham-pirenena teo aloha azy. Tsy mitovy lenta tokoa mantsy ireo filoham-pirenena teo aloha, ny mpanongam-panjakana indray no mahazo miriaria malalaka sy mivezivezy amin’izay tiany eto an-toerana sy any ivelany, fa ilay olona nosomparana sy niharan’ny fanonganam-panjakana indray no voageja sy sokajiana tahaka ny gadra. Manaporofo indray izao tranga izao fa olona manana ny maha izy azy ity filoha teo aloha ity ary tena mbola manana ny toerany amin’ny raharaham-pirenena ary tsy iadian-kevitra intsony fa mbola mahatoky azy ny olona maro be eto Madagasikara sy ny sehatra iraisam-pirenena ary maka ny heviny ny amin’ny fomba mety hahafahana mamaha ny krizy eto Madagasikara. Efa nitsidika an’i dada teny Faravohitra moa ny masoivohon’i Afrika Atsimo, Etazonia, Grande Bretagne, ny solontenan’ny vondrona eoropeanina fa mbola manitikitika ny sain’ny mpanara-baovao kosa hoe iza ary ity hoe masoivohona firenen-dehibe tonga teny Faravohitra omaly ity ?

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT