Matoam-baovao eto amintsika ankehitriny ny fampihavanam-pirenena tarihin’ny FFKM izay natomboka tamin’ireo filoham-panjakana 5 mirahalahy. Mandringa ihany anefa ny fizotrany satria tsy voahaja ny zon’olombelona eto Madagasikara.
Tranga iray mampiseho izany ny tsy fahafahan’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc mifampikasoka mivantana amin’ny olona sy maneho hevitra ampahibemaso momba ny raharaham-pirenena. « Lasa fahotana ve izany ny milaza ny zava-misy sy miaro ny mpiray tanindrazana manoloana ny tsy rariny mianjady amin’ny vahoaka Malagasy ? », hoy Rakotomamonjy Phillipe, mpikambana ao amin’ny Tiako I Madagasikara. Tsy mijanona amin’ny fanampenam-bava fotsiny ny mpitondra fanjakana fa mampiasa mpitandro filaminana mihitsy. Vokatra inona moa izany no andrasana amin’ny fampihavanam-pirenena fihatsarambelatsihy raha tsy mahazo miteny sy mandroso vahaolana, ohatra, ny filoham-pirenena iray teo aloha, hoy ity mpanao politika ity.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.