Tompon’andraikitra voalohany amin’ny fikarakarana ny fifidianana eto Madagasikara hatreto ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita. Samy manana adidy amin’ny fanatontosana izany an-tsakany sy an-davany kosa anefa na ny fanjakana na ny firaisa-monim-pirenena na ireo antoko politika marobe, indrindra fa ny olom-pirenena Malagasy.
Masontsivana lehibe miantoka ny fahombiazan’io fifidianana kaominaly amin’ny 31 jolay 2015 io ny fitoniana ara-politika, toekarena ary sosialy eto amin’ny firenena, hoy ny filoha nasionalin’ny Kmf/ Cnoe Razafindrabe Ernest. Tokony ho modely amin’ny fanajana ny lalàna mifehy ny fifidianana ny mpitondra fanjakana fa tsy hanao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana miaraka amin’ny fampiasana fitaovam-panjakana. Singa iray manamafy ny fiverenan’i Madagasikara amin’ny rafitra manaraka ny Lalàmpanorenana ny fifidianana ireo mpanolotsaina sy ben’ny tanàna ka tsy tokony hihemotra intsony ny datim-pifidianana, hoy ity tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Kmf/Cnoe ity.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.