Politique

Fifidianana kaominaly Hosakanana ny firotsahan’i Neny


  • Zoma 24 Aprily 2015

Mihazakazaka ny toe-draharaha taorian’ny fanambarana niezinezina nataon’ny filoha teo aloha sady filoha mpanorina ny antoko Tiako I Madagasikara, Marc Ravalomanana tao amin’ny Carlton tamin’ny 9 aprily 2015, fa vonona hiatrika ny fifidianana Ben’ny tanŕna izy ireo, ary handrotsaka an’i Neny eto Antananarivo Renivohitra.


Taorian’io, dia misy amin’ireo olona akaiky ny fitondrana no tsy mahatam-bava ka mibaradaka fa hataon’izy ireo ny fomba rehetra hisakanana ny firotsahan-kofidian’i Lalao Ravalomanana ho Ben’ny tanàna eto Antananarivo, toy ny efa nanakanana azy tsy hirotsaka hofidianana filoham-pirenena tamin’ny 2013 fa hoe : tsy feno enim-bolana ny nitoerany teto Madagasikara ka nanilihana azy alohan’ny fotoana. Ny sasany aza mbola manitrikitrika fa tsy hisy fianakaviana Ravalomanana afaka hirotsaka hofidianana izany eo amin’io fifidianana kaominaly ho avy io. Tsy nambaran’izy ireo kosa hoe fahefana inona sy avy aiza na amin’ny fomba ahoana no hanakanana ny firotsahan-kofidian’i Neny. Ny mazava aloha dia manana herijika betsaka handresena amin’io fifidianana amin’ny 31 jolay 2015 io i Neny. Manao tsapa-kevitra ary ve ireto olona akaiky ny fitondrana ireto mba handrefesana ny fitiavan’ny olona an’i Neny sa tena fanomanana ny sain’ny mpomba an’i Marc Ravalomanana io serasera ataon’izy ireo io ? Ny azo antoka aloha ary tsy afaka ao an-tsain’ny olona dia ny tenin’Atoa Ravalomanana Marc nilaza fa vonona ny Tiako i Madagasikara hiatrika ny fifidianana Ben’ny tanàna sy izay fifidianana rehetra manaraka eo. Hanana kandida eto Antananarivo Renivohitra ny antokony amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna ary handahatra andrarezina dia Ramatoa Lalao Ravalomanana. Adidy masina amin’ny fampandrosoana ny firenena izany, hoy hatrany i Dada ary io fampandrosoana io dia tsy maintsy miainga avy any ifotony, izany hoe ny Kaominina isanisany. Ao anatin’ny fitoniana sy filaminana no tokony hanaovana izany rehetra izany, hoy hatrany ny tenany. Misy anefa ny malailay fonosana tsy maty voalavo an-kibo.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT