Hafa mihitsy i Dada ! Sariaka lalandava ary tsy misalasala mifandray mivantana amin’ny vahoaka. Izany no resaky ny olona teny amin’ny lalam-pirenena faharoa sy tany Toamasina omaly alahady. Anton’io resaka io ny nidiran’ny filoha Ravalomanana tamina hotely gasy tao Antsampanana ka nihinanany sakafo antoandro
. Henan’omby ritra sy amalona no laoka nosafidian’i Dada, tsy nisy ny hoe fikarakarana manokana fa dia nandefa ny kaomandy ary niandry tahaka ny olon-drehetra izy sy ireo mpiara-dia aminy. Ankoatr’izay dia nisotro kafe tamina mpivarotra amoron-dalana ihany koa ingahy Ravalomanana teo am-piandrasana ny fampidirana rivotra tamin’ny kodiaran’ny fiara nitondra azy. Hafaliana tsy omby tratra ny an’ilay ramatoa mpivarotra fa sambany no nisy filoham-pirenena teo aloha izany nividy zavatra teo aminy. Tsy vao izao moa no tia mifangaro sy mifandray amin’ny vahoaka tahaka izany i Marc Ravalomanana fa efa hatry ny ela, samy mahafantatra izany malagasy amin’ny faritra maro manerana ny nosy, ary izany mihitsy aza no tena nahafantaran’ny olona azy. Matetika no sahiran-tsaina ny tompon’andraikitry ny harofenitra sy ireo mpiambina akaiky azy, fony izy filoham-pirenena noho izay fitiavan’i Marc Ravalomanana mifangaro amin’ny vahoaka izay. Sary tsy maty ao an-tsain’ireo mpanao vakansy tany Mahajanga tamin’ny 2005 ny nahita an’i Dada nilomano teny amin’ny ranomasin’ny Grand Pavois, tahaka ny olon-tsotra mba manala azy amin’ny andro fialantsasatra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.