Politique

Tolagnaro Misy misandoka ny anaran'ny TIM


  • Alatsinainy 27 Aprily 2015

Mbola mitohy ny fanakorontanan'ireo vondrombondron'olona ny antoko Tiako I Madagasikara any amin'iny distrikan'i Tolagnaro. Na dia tsy nahazo mandat ara-dalàna avy tamin'ny birao foibe aza ireo mitonona ho Tim ireo, mbola mikiribiby ihany mitady fomba hilazana fa ara-dalàna.

 

 Manaporofo izany ireo taratasy maro be tonga  ao amin'ny distrika  miendrika sandoka avokoa. Sandoka satria voaporofo tamin'ny alalan'ny fotokopia miloko. Tsy fantatra hoe avy aiza ireo dosie ireo ? Marihina fa efa mahafantatra io tranga io ny filoha nasionalin'ny Tiako I Madagasikara Razoharimihaja Solofonantenaina tamin'ny fandalovany tany an-toerana. Nambara tamin'ny fomba ofisialy fa i Mahazovelo Raymond no Filohan'ny Distim. Mbola mahita anarana vaovao hafa anefa ny ekipan'i Mosa Tahiry, senatera teo aloha. Misy amin'ireo birao foibe no minia manakorontana ny fiainan'ny antoko any amin'ny faritra. Voafitaka ihany koa ny solontenam-panjakana sy ny Ffkm mpanomana ny fikaonan-doha ho amin'ny fampihavanam-pirenena izay hatao eto Antananarivo. Tsy olona nivoaka tamin'ny TIM no  solontena fa mpisandoka. Mba hialana amin'ny savorovoro mety hitranga, manao tatitra sy antso avo amin'ny tomponandraikitra ny biraon'ny DisTim any Fort Dauphin mba hijery ny zava-misy. Marihina fa tokana ny Tiako I Madagasikara saingy misy manao izay fomba hampisaraham-bazana ny mpikambana.

OTH

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT