Politique

Fampihavanam-pirenena Tsy tokony hijanona fotsiny amin’ny resaka politika, hoy ny Zanta


  • Alatsinainy 27 Aprily 2015

Tsy tokony hijanona fotsiny amin’ny resaka politika ny fampihavanam-pirenena ho an’ny fikambanan’ny zanta na ny zanaka Antanala. Misy fijery misokatra izy io, hoy ny solombavambahoaka Razafitsiandraofa Jean Brunelle toy ny resaka tantara, ny kolontsaina ary indrindra fa ny toekarena.

 

Ny mampalahelo anefa, hoy ity solombavambahoaka ity dia anisan’ny niady ho an’i Madagasikara ny foko Antanala tamin’ny fotoan’androny saingy izy no gisitra indrindra eo amin’ny resaka fampandrosoana. Tokony hisy ny fijerena ny lafiny fampandrosoana fa tsy misy atao zanak’Ikala hafa. Na izany aza anefa tsy manakana ny fampihavanam-pirenena hotontosaina manomboka ny 28 aprily ho avy izao indray izy ireo saingy nambarany kosa fa mbola misy tsy tomombana ny fikarakarana izany.  Nifampiarahaba nahatratra ny taona vaovao 2015 ny fikambanana ny sabotsy lasa teo. Nifanindran-dalana tamin’izany ny fanokafana ny fankalazana ny faha-10 taona niorenan’ny fikambanana. Fanamby hapetrak’izy ireo amin’ny 10 taona manaraka ny fampandrosoana ny lafiny ara-tsosialy  sy ny fitodihana amin’ny mpikambana.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT