Miala any indray ny antsojay atao amin’i Marc Ravalomanana. Tsikaritra fa niha mafy tato ho ato ny fanakanana indray ity filoha teo aloha ity amin’izay zavatra kasainy atao. Moa ve tena noho ny antony mahakasika ny fiarovana ny ainy no mahatonga ilay fanakantsakanana sa misy ambadika politika ?
Nosakanana
Vao maraim-be, omaly alakamisy, raha iny hikasa handeha hihazo an’i Toamasina iny, ny filoha Ravalomanana sy Ramatoa vadiny no notenenin’ireo miaramila mpiambina azy fa tsy mahazo miondrana hiainga indray Atoa Marc Ravalomanana. Gaga sy talanjona anefa izy fa vao ny alarobia 22 aprily 2015 no nahazo alalana avy amin’ny fitondram-panjakana fa mahazo mandeha mijery ifotony ny fahasimbana tao amin’ny orinasa Tiko Top sy Mana any Toamasina. Nomen’ny fitondrana herinandro mantsy izy ireo hanaovana « inventaire » ny fahasimban’ny fitaovana ao amin’io orinasa io, miaraka amin’ny solontenam-panjakana. Kinanjo iny izy niomana hivoaka maraina hamonjy any Toamasina iny no nosakanana indray, tsy nisy fanazavana fanampiny fa dia izay no baiko. Nipitrapitra sy nangahiahy izy nanao veloma an-dRamatoa Lalao Ravalomanana sy ny zanany vavy Sarah Ravalomanana izay tsy nihemotra fa nizotra hatrany nihazo an’i Toamasina.
Hosamborina indray ?
Mazava ny resaka eto fa dia mbola voageja sy toy ny migadra ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Tsy rariny ary tsy azo ekena izao endrika tsindry sy don-tandroka atao amin’ny filoha Ravalomanana sy ny mpiara-dia aminy izao, volana vitsy mialoha ny fifidianana kaominaly, hoy i Guy Rivo Randrianarisoa omaly. Nohamafisiny fa tsy mandray anjara amin’ny dinika fampihavanam-pirenen’ny FFKM aloha izy ireo. Ankoatra izay, manomboka mandeha indray izao ny feo fa hoe efa hisy fikononkononana fisamborana ity filoha teo aloha ity indray any ambadibadika any ka tanjona ny hifehezana azy tanteraka tsy hanao politika amin’ny alalan’ny fanagadrana tahaka ilay natao azy tany Antsiranana. Andrasana moa izay fanampim-panazavana avy amin’ny fitondram-panjakana momba ity raharaha Ravalomanana ity satria manomboka mivadika hafahafa ihany ilay izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.