Ny sabotsy teo no nametrahana tamin‘ny fomba ofisialy ny kandida izay ho ben’ny tanŕna ao Mahajanga Ramandratosoa Jean Yves José sy ireo kandida sasany avy amin’ny faritra Boeny sy ny manodidina izay tao amin’ny Magro Fitiavana no nanatanterahana azy.
Feno avokoa ny kianja izay manaporofo fa mbola ao am-pon’ny maro i Marc Ravalomanana sy ny ekipany. Samy nankasitraka an’ireo kandida natolotr’i Dada avokoa ireo mpikambana ary vonona ny hampandany azy ireo amin’ity fifidianana ben’ny tanàna ity, indrindra io kandida ao Mahajanga I io. Ireo kandida rehetra tonga teny an-toerana dia samy nanamafy fa hanao ezaka hampandroso ny kaominina izay tantanany. Ireo mpikamban’ny TIM isam-pokontany dia efa vonona koa ny amin’ny fandresen-dahatra ny olona rehefa tonga ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra. Nanaja ny lalàna ny mpikambana TIM tao Mahajanga satria dia tsy nahitana endrika fampielezan-kevitra nandritra ny fametrahana ireo kandida ireo. Ny torolalana nentin’ny filoha teo aloha hatrany no mbola tazonin’ireo kandida ireo toy ny tetikasa MAP. Anisan’ny andrasan’ny vahoaka Mahajanga amin’izy ireo izany aorian’ny fahalanian’ireo kandida natolotr’i Dada ireo.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.