• Alakamisy 07 Mey 2015
Politique.RADO RAMPARAOELINA Mety aminay ny fihemoran’ny datim-pifidianana

Niteraka resabe tato ho ato ny fihemoran’ny daty fametrahana ny taratasy filatsahan-kofidiana ho Ben’ny tanàna, fanapahan-kevitra noraisin’ny filoham-pirenena. Ho an-dRamparaoelina Rado, Ben’ny tanànan’ny kaominina Ampitatafika dia nambarany fa mety aminy ny fihemoran’izany.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 07 Mey 2015
Politique.Biletà tsy ahitana sary sy anaran’ny kandida Tsy misy antony hanaovana propagandy

Miteraka adihevitra be eny anivon’ny fiarahamonina ilay didim-panjakana 2015-630 ny 7 aprily 2015 mandrara ny fampisehoana sary miaraka amin’ny anarana sy fanampin’anaran’ny kandida

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 07 Mey 2015
Politique.Kaominin’i Mahitsy Tanjona ny ho tanàna filamatra

Maro ny zava-bita ao amin’ny kaominina ambanivohitra Mahitsy. Anisan’izany ny lalana rarivato, kianja basket, toerana fidiovana sy fanasan-damba, efitrano fianarana roa ho an’ny lycée, tranompokonolona, Birao Ifotony Fananantany notohanan’ny Pnud, fampiofanana ireo mpamboly niaraka tamin’ny fampitaovana toy ny «pulvérisateur» sy fanondrahana. Lahasa goavana nisongadina ny fahavitan’ny fitsinjarana tany mahatratra 31.000 sy ny fizarana karatany, hoy ny ben’ny tanàna

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 07 Mey 2015
Politique.Depiote MOHAMAD Ahmad Hiombonako hevitra ny filohan’ny Antenimieram-pirenena

Satria tsy mbola nisy ny fivoriana niaraha-nanao sy ny fampiantsoana manokana teo anivon’ny antoko dia tsy afaka ny hiteny amin’ny anaran’ny antoko HVM aho anio fa manambara ny fahitako ny zava-misy eto amin’ny firenena tao ho ao fotsiny, hoy ny depiote Mohamad Ahmad voafidy tany Fenoarivo atsinanana.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 07 Mey 2015
Politique.Raharaha ben’ny tanànan’Ampefy Aleo hivoaka ny marina, hoy ny depiote Rabenerika

Nahagaga anay ny fivoahan’ny raharaha nahavoarohirohy ny ben’ny tanànan’ny kaominina Ampefy izay kaominina iray eo ambany fiahianay any amin’ny distrikan’i Soavinandriana Itasy an-gazety , hoy ny depiote Harinosy Rabenerika Charlo

Hamaky ny tohiny
FTT