Politique

Biletŕ tsy ahitana sary sy anaran’ny kandida Tsy misy antony hanaovana propagandy


  • Alakamisy 07 Mey 2015

Miteraka adihevitra be eny anivon’ny fiarahamonina ilay didim-panjakana 2015-630 ny 7 aprily 2015 mandrara ny fampisehoana sary miaraka amin’ny anarana sy fanampin’anaran’ny kandida

 

. Mihevitra ny mpandinika ny raharaham-pirenena fa tetikady politika fanambakana sy fametsifetsena ny Malagasy io fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana io. Fanaovana tsinontsinona ny olom-pirenena kosa no fahitan’ny kandida ben’ny tanàna iray azy. Fanomezana tombondahiny ireo kandida tsy fantatry ny fiaraha-monina fa miantehitra fotsiny amin’ny anaran’ny antoko na fikambanana ity didim-panjakana nipoitra tampotampoka ity. Mandringa indray ny mangarahara amin’ny tsy fahafahan’ny olona mahafantatra ireo olona eritreretiny fa hitondra fampandrosoana ho an’ny kaominina honenany. Tsy misy antony tokony hanaovan’ny kandida ben’ny tanàna fampielezan-kevitra raha sary famantarana ny antoko na fikambanana hatao mivandravandra amin’ny biletà tokana, hoy ity kandida ben’ny tanàna iray ity.   

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT