Maro ny zava-bita ao amin’ny kaominina ambanivohitra Mahitsy. Anisan’izany ny lalana rarivato, kianja basket, toerana fidiovana sy fanasan-damba, efitrano fianarana roa ho an’ny lycée, tranompokonolona, Birao Ifotony Fananantany notohanan’ny Pnud, fampiofanana ireo mpamboly niaraka tamin’ny fampitaovana toy ny «pulvérisateur» sy fanondrahana. Lahasa goavana nisongadina ny fahavitan’ny fitsinjarana tany mahatratra 31.000 sy ny fizarana karatany, hoy ny ben’ny tanŕna
Rakotovao Andriambololona. Mbola anisan’ireo kandida ben’ny tanàna hifaninana amin’ny fifidianana kaominaly amin’ny 31 jolay 2015 izao ny tenany noho ny fangatahan’ny mponina ao an-toerana. Tanjona manaraka ny hahatonga ny kaominin’i Mahitsy ho tanàna filamatra amin’ny alalan’ny fananganana fotodrafitrasa tahaka ny tsena sy tetezana na koa ny fampidiran-drano.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.