• Zoma 08 Mey 2015
Politique.Lercia sy ny fikambanana AVO Ravao ny Antenimieram-pirenena

Nivoaka tamin’ny fahanginany koa ny fikambanana AVO na Andao Vahao ny Olana tarihan’Atoa Lercia rehefa tsy henoheno nandritra ny fotoana maro. Nolazainy mazava sy mahitsy manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena fa tokony horavana haingana ny Antenimieram-pirenena.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 08 Mey 2015
Politique.Fifidianana kaominaly Tsy hanana kandida ny MAPAR ?

Ity vao ho tantara ! Ahiana hisy fiantraikany goavana ny fampiharana ilay didim-panjakana 2015-630 tamin’ny 7 aprily 2015 mamaritra fepetra vaovao ao amin’ny andininy faha-43 milaza fa sady tsy azo asiana sary no tsy asiana anarana na fanampin’anaran’olona ny bileta tokana amin’ny fifidianana kaominaly heverina hatao amin’ny 31 jolay 2015

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 08 Mey 2015
Politique.Hery Rajaonarimampianina “Tsy mbola vita ny fampihavanam-pirenena”

Tsy mbola vita tanteraka ny fampihavanam-pirenena, hoy ny filoha Hery Rajaonarimampianina omaly tany amin’ny Nosy Sainte Marie nanoloana ny mpanao gazety. Ao anatin’ny fanatanterahana ireo fehin-kevitra isika izao, hoy izy. Na izany aza dia nambarany fa efa miroso amin’ny fanarenana ny firenena isika ary ho avy atsy ho atsy ny fandaharanasa goavana amin’ny sehatra rehetra mba ho

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 08 Mey 2015
Politique.Kaominina Ambohibao Antehiroka Niampy iray ireo kandida ho Ben’ny tanàna

Niampy iray indray ny kandida mpifaninana hirotsaka ho Ben’ny tanàna eny amin’ny kaominina ambohibao Antehiroka distrikan'Ambohidratrimo. Ankoatra ireo efa fantatra dia anisan’ny mpifaninana ihany koa Rakololahy Charles Mandresy Olivarest

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 08 Mey 2015
Politique.Vondron’Olon-Tsotra (VOT) Ilaina ny fiombonam-bavaka fampihavanam-pirenena

Anisan’ireo mpizaika nandray anjara tamin’ny fihaonambem-pirenena nokarakarain’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara ny Vondron’Olon-Tsotra.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 07 Mey 2015
Politique.Frantsa Te hihavana amin-dRavalomanana !

Tonga nitsidika ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana teny amin’ny trano fonenany eny Faravohitra omaly maraina ny masoivoho Frantsay monina sy miasa eto amintsika Atoa François Goldblatt. Naharitra ora 2 ny fifampiresahan’ny roa tonta. Tsy nisy moa ny mpanao gazety afaka nanatrika ny fihaonana ary tsy nisy ny fampitam-baovao ofisialy momba ny votoatin’ny fihaonana avy amin’ny an-daniny sy ny an-kilany.

Hamaky ny tohiny
FTT