Satria tsy mbola nisy ny fivoriana niaraha-nanao sy ny fampiantsoana manokana teo anivon’ny antoko dia tsy afaka ny hiteny amin’ny anaran’ny antoko HVM aho anio fa manambara ny fahitako ny zava-misy eto amin’ny firenena tao ho ao fotsiny, hoy ny depiote Mohamad Ahmad voafidy tany Fenoarivo atsinanana.
Hiombonako aminy, hoy izy, ny zava-boalazan’ ny filohan’ny Antenimieram-pirenena tamin’ny kabary fanokafana ofisialy ny fivoriana ara-potoana voalohany amin’ity taona 2015 natao teto Tsimbazaza nyA andron’ny 5 mey 2015. Tena tsy hahasolo vava ny vahoaka ireo 1865 nanatrika ny dinika natao teny Ivato farany teo sady maro tamin’izy ireo no « Ex » sy Ct teo aloha, tsy lany tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany ka mitady irika handravana efa. Amiko anefa dia ny fampivondronana ho amin’ny fampandrosoana no fotokevitry ny fampihavanam-pirenena fa tsy ny fandravana efa indray sanatria. Koa manao antso avo amin’ny filoham-pirenena izahay mba tsy ho latsaka anaty velam-pandrika ataon’ny sasany handotoana izao fitondrana izao.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.