Noraisina nandritra ny Filankevitry ny minisitra omaly ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana 2014-1619 tamin’ny 13 oktobra 2014 mandidy ny filoha teo Marc Ravalomanana tsy hiala amin’ny toerana iray izay arahi-maso manokana «Assignation à résidence fixe». Nandritra ny famaranana ny fihaonambe nasionaly momba ny fihavanam-pirenena tarihin’ny FFKM natao teny amin’ny CCI Ivato tamin’ny sabotsy 2 mey ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina no efa nanambara ampahibemaso teo anatrehan’ny mpizaika fa hitondra ny fanafoanana eo anivon’ny filankevitry ny minisitra. Manomboka eto izany dia ho afaka hivezivezy malalaka manerana ny Nosy indray ny filoha mpanorina ny antoko Tiako i Madagasikara. Miandry ny hamerenana aminy ny pasipaorony izy, hahafahany mivoaka any ivelany raha misy dia tokony hataony any. Zon’ny olom-pirenena Malagasy omen’ny lalàmpanorenana rahateo ny mivezivezy, mivoaka sy miditra ny taniny. Izy Marc Ravalomanana rahateo nangataka ny hanomezana azy ny zo feno maha filoham-pirenena teo aloha azy. Na tsy nambarany nivantana aza dia tafiditra ao anatin’io ny famerenana aminy ny pasipaoro diplaomatikany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.