Niteraka resabe tato ho ato ny fihemoran’ny daty fametrahana ny taratasy filatsahan-kofidiana ho Ben’ny tanŕna, fanapahan-kevitra noraisin’ny filoham-pirenena. Ho an-dRamparaoelina Rado, Ben’ny tanŕnan’ny kaominina Ampitatafika dia nambarany fa mety aminy ny fihemoran’izany.
Tsy mora na ny fotoana lany amin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy na ny hoenti-manana izay tena mitaky fandavan-tena tokoa, hoy izy. Vao mainka mety raha mihemotra ny datin’ny fifidianana Ben’ny tanàna, araka ny filazany. Mikasika ny fanafoanana ny sary amin’ny bileta mamantatra ny kandida iray kosa dia tsy olana izany ho azy. Samy manana ny maha izy azy mantsy ny kandida tsirairay avy ary efa diso fantatry ny olona loatra ireo tena niasa sy nahavita zavatra. Na izany aza anefa dia fanontaniana napetrany ny hoe : asa raha manaraka ny sata Repoblikanina izany na tsia ?
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.