Tsy mbola vita tanteraka ny fampihavanam-pirenena, hoy ny filoha Hery Rajaonarimampianina omaly tany amin’ny Nosy Sainte Marie nanoloana ny mpanao gazety. Ao anatin’ny fanatanterahana ireo fehin-kevitra isika izao, hoy izy. Na izany aza dia nambarany fa efa miroso amin’ny fanarenana ny firenena isika ary ho avy atsy ho atsy ny fandaharanasa goavana amin’ny sehatra rehetra mba ho
fanatanterahana izany. Tsy nanome fe-potoana mazava ny amin’ny hanatanterahana ny fehin-kevitra tapaka teny amin’ny CCI Ivato ingahy filoha, tsy nilaza ihany koa hoe inona no hotanterahana ary inona amin’iny fehin-kevitra iny no tsy hatao.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.