Politique

Kaominina Ambohibao Antehiroka Niampy iray ireo kandida ho Ben’ny tanŕna


  • Zoma 08 Mey 2015

Niampy iray indray ny kandida mpifaninana hirotsaka ho Ben’ny tanŕna eny amin’ny kaominina ambohibao Antehiroka distrikan'Ambohidratrimo. Ankoatra ireo efa fantatra dia anisan’ny mpifaninana ihany koa Rakololahy Charles Mandresy Olivarest

 

. 39 taona ny lehilahy, mpandraharaha ara-toekarena. Mahaleotena ity kandida , tompon’ny orinasa Mandresy sy ny Centre Medical Miahy eny Antehiroka izay mandray an-tanana ireo mararin’ny homamiadana, ankoatra ny fitsaboana ireo olona sahirana ara-pivelomana ao amin'ity kaominina ity. Mbola izy ihany koa no filohan'ny fikambanana ara-tsosialy Miahy izay manao asa soa ho an'ny mpiara-belona hatramin'izay 11 novambra taona 2014 nijoroan’ny fikambanana. Vonona ny hampandroso ny tanàna sy ny mponina ao amin'ny kaominina Ambohibao Antehiroka izy amin'ny alalan'ny traikefa ananany momba ny fiahiana ny maha olona hatramin'izay. Hamaly ny filana sy ny hetahetan'ny mponina no tanjony amin'izao finiavany hilatsaka ben'ny tanàna izao. Hatao laharam-pahamehana ny fampandrosoana ireo fokontany miisa sivy ao anaty Kaominina.

 

Pati

 


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT