Politique

Lercia sy ny fikambanana AVO Ravao ny Antenimieram-pirenena


  • Zoma 08 Mey 2015

Nivoaka tamin’ny fahanginany koa ny fikambanana AVO na Andao Vahao ny Olana tarihan’Atoa Lercia rehefa tsy henoheno nandritra ny fotoana maro. Nolazainy mazava sy mahitsy manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena fa tokony horavana haingana ny Antenimieram-pirenena.

Mahitsy ny filazan’Atoa Lercia filohan’ny fikambanana AVO  omaly raha tafaresaka fohy tamin’ny mpanao gazety fa tokony horavana ny Antenimieram-pirenena ankehitriny ary tsy mahamaika koa ny fifidianana ben’ny tanàna satria ny famahana ireo olana eto amin’ny firenena tahaka ny fampihavanam-pirenena tena izy sy ny ady amin’ny fahantrana  no tokony himasoana. Mila manolotra politika maty paika ny fanjakana hoentina hiady amin’ny fahantrana, ny kolikoly … Tsy atao resabe ambony latabatra ireo, hoy izy, fa tena atao misy vokany azo tsapain-tanana. Ny tombontsoan’ny firenena no jerena fa tsy ny tombontsoan’olom-bitsy. Ny zavatra hita moa ankehitriny, araka ny filazany, dia tena mandiso fanantenana ny vahoaka nifidy azy ireo solombavambahoakan’i Madagasikara. Mampanontany tena ny maro ny hoe : inona no mba zava-bitan’izy ireo amin’ny vahoaka sy ny faritra  nifidy azy ? Ny valiny hatreto dia ny tombontsoan’ny tenan’izy ireo no mahamaika azy toy ny fangatahana 4x4 V8 amin’ny vidiny amina miliara. Tsy nisy teto Madagasikara izany raha ny fitadidiako, hoy ity filohan’ny fikambanana AVO ity. Ny  vahoaka malagasy anefa mihamahantra zara raha asian’izy ireo resaka ny hoe : inona ho hatao hiadiana amin’izany fahantrana izany ?  Tokony ho sahy ny filoham-pirenena handray andraikitra, hoy Atoa Lercia, ka hanana fahasahiana hanarina izay ao harenina ary handrava ny hita fa tsy mety tahaka an’io Antenimieram-pirenena io.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT