Ity vao ho tantara ! Ahiana hisy fiantraikany goavana ny fampiharana ilay didim-panjakana 2015-630 tamin’ny 7 aprily 2015 mamaritra fepetra vaovao ao amin’ny andininy faha-43 milaza fa sady tsy azo asiana sary no tsy asiana anarana na fanampin’anaran’olona ny bileta tokana amin’ny fifidianana kaominaly heverina hatao amin’ny 31 jolay 2015
. Miantefa any amin’ny MAPAR sy ny HVM avy hatrany ny saina aman’eritreritry ny maro raha hampiharina ara-bakiteny tokoa io didim-panjakana io. Samy misy anarana sy fanampin’anaran’olona mantsy na ny MAPAR (Miaraka amin’ny Prezida Andry Rajoelina) na ny HVM (Hery Vaovao an’i Madagasikara) nefa famantarana vondron’antoko sy antoko ireo. Ho an’ny MAPAR dia efa nampiasaina tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika sy solombavambahoaka tamin’ny 2013 izy io. Tsy ho azo ampiasaina indray ve izany io MAPAR io manomboka amin’ity fifidianana kaominaly ity ? Raha eny, mbola hanam-potoana hanovana famantarana ve io vondron’antoko io hiatrehana ny fifidianana sa hiala an-daharana, torak’izany koa ny HVM ? Raha horaisina ihany ny MAPAR, inona no isakanana ny hafa tsy hametraka ny anarany sy fanampin’anarany toy ny teo aloha ? Hiteraka olana, ary mety hitarika hatrany amin’ny tsy fahavitan’ny fifidianana amin’ny 31 jolay 2015 ity raharaha ity raha tsy misy fepetra raisina haingana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.