Politique

Vondron’Olon-Tsotra (VOT) Ilaina ny fiombonam-bavaka fampihavanam-pirenena


  • Zoma 08 Mey 2015

Anisan’ireo mpizaika nandray anjara tamin’ny fihaonambem-pirenena nokarakarain’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara ny Vondron’Olon-Tsotra.

 

 Niady hevitra sy nifandresy lahatra tamin’ireo sokajin’olona samihafa tonga teny amin’ny CCI Ivato ny solontenan’izy ireo, araka ny fanazavan’ny filohany Sarah Zoé teny amin’ny Nalugaro 67ha omaly. Ventin-kevitra novoizin’izy ireo tao amin’ny vaomiera faha-7 sy faha-8 ny lafiny ara-tsosialy izay tena manahirana ny vahoaka. Manoloana ny tabataba sy ny tsikera isan-karazany avy amin’ireo andian’olona sakana amin’ny firosoana amin’ny tena fampihavanam-pirenena ankehitriny dia mampirisika sy manohana hatramin’ny farany ny ezak’ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy miaraka amin’ny filohan’ny Repoblika sy ireo filoham-pirenena teo aloha ny VOT. Fotoana ihany koa anefa izao hanatanterahana ny fampihavanana ny Malagasy amin’Andriamanitra ka ilaina ny fiombonam-bavaka fampihavanam-pirenena ho an’ny sarambabem-bahoaka tarihin’ny FFKM, hoy ireo mpikambana ao amin’ny Vondron’Olon-Tsotra.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT