Tonga nitsidika ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana teny amin’ny trano fonenany eny Faravohitra omaly maraina ny masoivoho Frantsay monina sy miasa eto amintsika Atoa François Goldblatt. Naharitra ora 2 ny fifampiresahan’ny roa tonta. Tsy nisy moa ny mpanao gazety afaka nanatrika ny fihaonana ary tsy nisy ny fampitam-baovao ofisialy momba ny votoatin’ny fihaonana avy amin’ny an-daniny sy ny an-kilany.
Goavana
Na izany aza dia resy lahatra ny maro fa misy ifandraisany betsaka amin’ny dinika ho amin’ny fampihavanam-pirenena natao mandritra ny 5 andro teny Ivato ity fihaonana ity, ary fotoana iray ihany koa mety nifampiresahan’ny roa tonta ny mety hoavin’ny fiaraha-miasa. Tsy azo adinoina mantsy fa i Frantsa dia anisan’ireo firenena mifanakalo ara-barotra amin’i Madagasikara, manana ny anjara toerany eto satria maherin’ny 600 ny orinasa Frantsay misy eto. Nahoraka be ihany koa hatramin’izay fa hoe ratsiratsy ny fifandraisan’i Marc Ravalomanana amin’ny Frantsay ka heverina, hoy ny mpanara-baovao fa misy antony ara-politika sy ara-diplaomatika goavana ity fihaonana teny Faravohitra omaly maraina ity, ary mety fotoana iray nanombohan’i Lafrantsa ny famitranam-pihavanany amin’i Marc Ravalomanana. Fihaonana izay mbola nanaporofo indray fa manana ny maha izy azy eo amin’ny fiainam-pirenena i Marc Ravalomanana satria efa samy tonga nihaona taminy teny amin’ny trano fonenany avokoa izany ireo masoivohon’ny firenena matanjka indrindra eto ambonin’ny tany miara-miasa amintsika tahaka an’i Etazonia, Grande Bretagne ary Frantsa izay iaraha-mahafantatra fa samy mpikambana ao amin’ny filankevi-pilaminan’ny firenena mikambana ary manana ny maha izy azy eto amin’izao tontolo izao. Ary rariny sy hitsiny no anambarana fa goavana Atoa Marc Ravalomanana matoa tonga mihaona aminy eny amin’ny trano fonenany ireo masoivohona firenena vaventy ireo. Tsy hoe tsy misy atao ireo diplaomaty ireo ka handany iray na roa ora eny Faravohitra hihaona amin-dRavalomanana fa misy antony manokana matoa tonga teny izy ireo. Mahita ireo mpandinika ny raharaha politika fa manomboka mamitram-pihavanana amin’i Marc Ravalomanana i Frantsa satria mbola tena manana ny maha izy azy amin’ny raharaham-pirenena eto Madagasikara ity filoha teo aloha ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.