• Talata 02 Jona 2015
Politique.Hery Rajaonarimampianina – Marc Ravalomanana Nihaona mangingina teny Iavoloha

Mihazakazaka ny toe-draharaha. Araka ny efa natsidika teto tamin’ny Tia Tanindrazana tamin’ny sabotsy 30 mey dia mety hihaona hifanazava ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha teo aloha sady filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara Marc Ravalomanana. Dia raikitra izany omaly hariva.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 02 Jona 2015
Politique.Donnat Andriamahefamparany «Fanapahan-kevitry ny samy depiote no teny Tsimbazaza»

Raharaha mbola mitana ny sain’ny maro ny niampangan’ny solombavambahoaka ny filohan’ny Repoblika ho manitsakitsaka ny lalàmpanorenana ka angatahan’izy ireo ny hamerezan-jo sy hampiatoana azy amin’ny asany.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 02 Jona 2015
Politique.HVM Maevatanana Nitarika olona teny an-dalambe

Nitondra olona teny an-dalambe sady nilanja sorabaventy ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara. Karnavaly no mody nitondrana azy, ary tao Maevatanana renivohitry ny Faritra Betsiboka no nitrangany ny sabotsy 30 mey 2015 teo.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 02 Jona 2015
Politique.Marc Ravalomanana Lasa mpanelanelana hamaha ny krizy ?

Azo ambara fa tena lasa mpanelanelana ny raharaha manahirana eto amin’ny firenena ankehitriny ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana raha ny zava-nisy tao anatin’ny 72 ora sy mbola hisy ao anatin’ny 24 ora ho avy no asian-teny.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 02 Jona 2015
Politique.Mpandrindra nasionalin’Ambalambahoaka Aoka ny vahoaka ho tony sy hahatoky ny HCC

Mbola nandrenesam-peo indray omaly ny fikambanana Ambalambahoaka ka tamin’ny alalan’ny mpandrindra nasionaly ao aminy, Atoa Harisson Jean, izay nilaza fa manohitra marindrano ny fihetsika miendrika fanonganam-panjakana nataon’ireo solombavambahoaka 121 teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza

Hamaky ny tohiny
  • Talata 02 Jona 2015
Politique.Praiminisitra Jean Ravelonarivo Voasiotsioka teny amin’ny kianjan’ny Makis

Sambany nahitana fisiokana mpitondra fanjakana teny amin’ny kianjan’ny Makis Andohatapenaka tamin’ny alahady teo. Tamin’ny fidiran’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta hijery sy hanotrona ny lalao iraisam-pirenena fiadiana ny amboaran’ny Aroi aty amin’ny Oseana Indiana no nahitana sy nandrenesana izany tamin’io alahady 31 mey io

Hamaky ny tohiny
FTT