Politique

HVM Maevatanana Nitarika olona teny an-dalambe


  • Talata 02 Jona 2015

Nitondra olona teny an-dalambe sady nilanja sorabaventy ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara. Karnavaly no mody nitondrana azy, ary tao Maevatanana renivohitry ny Faritra Betsiboka no nitrangany ny sabotsy 30 mey 2015 teo.

Vitsy ny nandray anjara, fa ny fisiany no tiana havoitra eto. Miteny ho azy ny sary ! Nihazo ny “La Place” ny mpanao diabe, tao koa ny toerana nanaovana ny kabary samihafa, fanohanana sy fandokafana ny fitondrana ary fanakianana ireo solombavambahoaka mangataka ny famerezan-jo sy hanonganana ny filohan’ny Repoblika. Fampisehoana maimaimpoana niarahana tamin’ny tarika Malala no nanohizana ny fotoana mandrak’alina. Mifanindran-dalana amin’io dia mampitandrina ny fanjakana fa tsy azo atao ny manao fihetsiketsehana na mitarika olona eny an-dalambe alohan’ny 26 jona, hankalazana ny fetim-pirenena. Natao ho an’iza io fepetra io ? Norarana tsy hahazo hihaona tamin’ny mpikamban’ny antoko sy mpiara-dia aminy tao Arivonimamo ny filoha teo aloha sady filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara, Marc Ravalomanana ny zoma 29 mey lasa teo, toy izany koa ny tany Tsiroanomandidy ny alahady 31 mey, nefa ny HVM any Maevatanana nomena alalana.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT