Politique

Hery Rajaonarimampianina – Marc Ravalomanana Nihaona mangingina teny Iavoloha


  • Talata 02 Jona 2015

Mihazakazaka ny toe-draharaha. Araka ny efa natsidika teto tamin’ny Tia Tanindrazana tamin’ny sabotsy 30 mey dia mety hihaona hifanazava ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha teo aloha sady filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara Marc Ravalomanana. Dia raikitra izany omaly hariva.


Iraisam-pirenena

Nifanatona nifampiresaka ny roa tonta ary teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha no nisian’ny fihaonana. Mitranga izany herinandro taorian’ny niampangan’ny solombavambahoaka ny filohan’ny Repoblika ka nangatahan’izy ireo any amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana hamerezan-jo azy hionganany amin’ny toerany. Iza no nangataka hihaona ? Tsy nahazoam-baliny mazava ny amin’io. Mety hisy hifandraisany tamin’ny fivezivezen’ireo diplaomaty vahiny niseho omaly anefa izany. Tonga teny Faravohitra misy ny trano fonenan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana nihaona tamin’ity farany ny ambasadaoron’i Etazonia miasa sy monina eto Madagasikara, Robert T. Yamate, ny fiandohan’ny tolakandro. Tsy nisy nipika ny fihaonan’ny roa tonta. Io no fihaonana voalohany teo amin’ny roa tonta taorian’iny zava-nitranga teny Tsimbazaza tamin’ny talata 26 mey 2015 iny. Namoaka fanambarana fanohanana ny ezaka ataon’ny fitondrana mijoro tamin’io andro io ny Amerikanina ary miantso ireo mpisehatra politika hisian’ny fitoniana, antoky ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Omaly ihany, saingy teny Tsimbazaza, dia re fa tonga nihaona tamin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Rakotomamonjy Jean Max ny masoivohon’ny Vondrona Afrikanina, Rtoa Youssouf Ahmed Hawa. Nitohy teny Iavoloha ny dian’ity farany taorian’izay. Tsy nisy fampitam-baovao ofisialy mitatitra ny fihaonana saingy tombanana ho fanelanelanana hanamorana ny fifampiresahana no tao ambadik’ireo hetsiky ny Iraisam-pirenena ireo.

Niova fo

Etsy an-kilan’izay, omaly ihany dia efa nandeha ny feo fa misy niova fo ny sasany tamin’ireo solombavambahoaka 121 nandany ilay fiampangana ny filohan’ny Repoblika teny Tsimbazaza. Ny fahatsapana fa diso paikady no voalaza fa antony nampihemotra azy ireo. Tsy mbola naneho ny heviny mikasika ity raharaha ity moa ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Anio maraina no re fa hapetraka eny Ambohidahy ny fiarovantenan’ny filoha.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT