Raharaha mbola mitana ny sain’ny maro ny niampangan’ny solombavambahoaka ny filohan’ny Repoblika ho manitsakitsaka ny lalŕmpanorenana ka angatahan’izy ireo ny hamerezan-jo sy hampiatoana azy amin’ny asany.
Na dia efa herinandro aza izao no nanapahan’ny solombavambahoaka izany teny Tsimbazaza dia olom-pirenena maro no mbola mametra-panontaniana hoe : fanapahan-kevitry ny depiote ve iny sa hevitry ny antoko niavian’izy ireo ? Raha nanontaniana ny teo anivon’ny antoko Tiako I Madagasikara izay manana solombavambahoaka 20 eo anivon’ny Antenimieram-pirenena dia namaly ny Sekretera jeneralin’ny antoko Donnat Andriamahefamparany fa “hevitra madiodion’ireo solombavambahoaka avy amin’ny firehana samihafa iny, vokatry ny fifanolanan’ny andrimpanjakana roa”. Vokatr’io dia mikatso efa herinandro koa izao ny fandinihana lalàna sy ny tatitra ny asa vita tokony hataon’ireo mpikamban’ny governemanta manoloana ny solombavambahoaka, miandry izay hambaran’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana mikasika ny fitoriana napetrak’ireo solombavambahoaka teny Ambohidahy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.