Politique

Marc Ravalomanana Lasa mpanelanelana hamaha ny krizy ?


  • Talata 02 Jona 2015

Azo ambara fa tena lasa mpanelanelana ny raharaha manahirana eto amin’ny firenena ankehitriny ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana raha ny zava-nisy tao anatin’ny 72 ora sy mbola hisy ao anatin’ny 24 ora ho avy no asian-teny.

Tsiahivina fa nandritra ny diany tany amin’iny Faritr’Itasy iny no nihaonany  tamin’ireo ankolafina solombavambahoaka samy hafa firehana nahitana ny filohan’ny antenimieram-pirenena sy ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitr’io rafitra mpanao lalàna io sy depiote hafa ihany koa. 12 eo no totalin’izy ireo. Omaly alatsinainy 1 jona 2015 kosa dia nandray ny masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina izy ny maraina tamin’ny 9 ora ary nihaona tamin’ireo solombavambahoaka teny Tsimbazaza ity farany avy eo tokony ho tamin’ny  11 ora antoandro tany ho any. Ny tolakandro tamin’ny 3 ora latsaka fahefany indray dia ny masoivoho Amerikanina ary avy eo dia re fa hoe voaantson’ny filoha Rajaonarimampianina hihaona taminy teny amin’ny Lapan’Iavoloha. Anio talata 2 jona dia fantatra fa hiverina handray ireo ankolafina solombavambahoaka samihafa indray ny tenany. Mazava loatra fa dinika fandravonan-javatra hatrany no votoatin’ireo dinika rehetra ireo na dia tsy nisy nipika aza ny resaka natao. Izany no nanambarana ery amin’ny lohateny fa toa lasa mpanelanelana mamaha ny krizy misy eto amin’ny firenena ankehitriny  i Marc Ravalomanana.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT