Mbola nandrenesam-peo indray omaly ny fikambanana Ambalambahoaka ka tamin’ny alalan’ny mpandrindra nasionaly ao aminy, Atoa Harisson Jean, izay nilaza fa manohitra marindrano ny fihetsika miendrika fanonganam-panjakana nataon’ireo solombavambahoaka 121 teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza
tamin’iny herinandro lasa iny, fa tsy izany velively no nifidianan’ny vahoaka azy ireo ho eo amin’io toerana io fa ny handinika tsara ny lalàna hifandrindra tsara amin’ny fampivoarana ny fiainam-bahoaka amin’ny ankapobeny. Manambara etoana ny tenako, hoy Atoa Harisson Jean, fa tokony hiverina any amin’ny vahoaka nifidy azy izy ireo fa raha izao nojerena dia hita fa manitsakitsaka tanteraka ny lalàmpanorenana mihitsy ireto solombavambahoaka ireto satria firy tamin’izy ireo moa no tena nahavita ny tatitra amin’ny vahoaka izay zava-boadinika teny Tsimbazaza araka ny voalazan’ny lalàna fa tsy maintsy atao ? Ny fitondram-panjakana kosa tetsy an-kilany tsy nitsahatra nitady hirika amin’ny fandresena lahatra ny Iraisam-pirenena mba hiverenan’ny famatsiam-bola tena ilaintsika hanarenana ny firenena. Manainga ny vahoaka mba ho tony, araka izany, izahay Ambalambahoaka ary hiandry am-pahamendrehana ny fanapahankevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana fa olon-kendry izy ireo ary olona tena mahay lalàna marina sady koa olona mahay mihaino ny feo fieritretany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.