• Alarobia 04 Novambra 2015
Politique.Laza Razafiarison « Tsy misy azo antenaina amin’io CENI vaovao io »

Tsy antenaina hanova zavatra velively ny fijoroan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana, hoy ny filohan’ny Avotra hoan’ny Firenena Razafiarison Laza. Rafitra maty mantsy no terentsika hampandrosoana ny firenena izay efa olana nitranga nanomboka tamin’ny fitondrana tetezamita.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 03 Novambra 2015
Politique.Hery Rajaonarimampianina Tsy mivaky loha amin’ny fahoriam-bahoaka ?

Raha voan-dalana hamahana ireo olana mianjady amin’ny firenena ankehitriny no nandrasan’ny maro avy amin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina taorian’ny fivahinianany nandritra ny herinandro tany ivelany dia samy niandry vasoka ny rehetra satria tsy nandrenesam-peo hatramin’izao izy

Hamaky ny tohiny
  • Talata 03 Novambra 2015
Politique.Kaominina Antananarivo Renivohitra Manga ny fiaraha-miasa amin’ny region île de France

Manga ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny region île de France.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 03 Novambra 2015
Politique.Fitakiana ireo Nosy Malagasy Mety hampiongana ny mpitondra fanjakana

Nandefa solontena teny amin’ny Live Hotel Andavamamba na manohana ny hetsika fitakiana ireo Nosy Malagasy tarihan’ny profesora Ratsimba James avokoa ireo filoham-panjakana nifandimby nitantana ny firenena nanomboka tamin’ny Repoblika faharoa hatramin’ny fitondrana tetezamita.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 03 Novambra 2015
Politique.Kaominina ambanivohitra Ankililaoka Toliara Fanaovana “ordonnance” hosoka no nahalany ny ben’ny tanàna HVM

Voaporofo mazava, araka ny fijoroan’ny olona voafitaka ara-bola vavolombelona, fa tamin’ny alalan’ny fanaovana hosoka ny “ordonnance” niisa 870 nosoniavin’ny filohan’ny fisarana ambaratonga voalohany ao Toliara izay nahatsiaro tena voafitaka no nahalany ny ben’ny tanàna nirotsaka tamin’ny anaran’ny HVM tao amin’ny kaominina ambanivohitra ankililaoka ao amin’ny distrikan’i Toliara faha-2.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 02 Novambra 2015
Politique.Hery Rajaonarimampianina Hilaza ny heviny momba ny raharaham-pirenena

Tafaverina an-tanindrazana taorian’ny fialantsasatra nataony tany Frantsa sy ny fanatrehany fihaonana an-tampony faha-3 an’i Inde sy Afrika tany New Dehli ny filoha Hery Rajaonarimampianina.

Hamaky ny tohiny
FTT