Politique

Kaominina ambanivohitra Ankililaoka Toliara Fanaovana “ordonnance” hosoka no nahalany ny ben’ny tanŕna HVM


  • Talata 03 Novambra 2015

Voaporofo mazava, araka ny fijoroan’ny olona voafitaka ara-bola vavolombelona, fa tamin’ny alalan’ny fanaovana hosoka ny “ordonnance” niisa 870 nosoniavin’ny filohan’ny fisarana ambaratonga voalohany ao Toliara izay nahatsiaro tena voafitaka no nahalany ny ben’ny tanŕna nirotsaka tamin’ny anaran’ny HVM tao amin’ny kaominina ambanivohitra ankililaoka ao amin’ny distrikan’i Toliara faha-2.

 

 Tena tezitra be io filohan’ny fitsarana io tamin’ny “faux” et “usage des faux” nataon’io kandidà HVM io ka nampirisika ny kandidà hafa hametraka “plainte pénale” fa manala baraka ny fitsarana ny toe-javatra misy dia nametraka an’io “Plainte Pénale” io ny tenako, Lamarre Pierre Jean Marie, izay kandidà Tim tao amin’ity kaominin’Ankililaoka Toliara ity nahazo ny isam-bato 1026 raha 1583 no azon’ny kandidà nanao hosoka io ka tokony ho “4è position” izy raha hatao ny fifanalana. Nisy fampiasana anarana mitovy be dia be nefa mody novana kely na anaran-dray aman-dreny na laharana kara-panondrom-pirenena na nomeraon’ny karatra tsy misy eto amin’ny firenena sns… Hatreto na dia efa nahavita fifamindram-pahefana aza ity mera vaovao ao Ankililaoka ity dia matahotra tsy mbola mety mamonjy ny asany noho ny famotorana sy fisamborana efa mandeha ankehitriny.  Tsy mety tonga manatrika fivoriana koa ireo efa nametraka “cassation” vokatry ny fifidianana nivoaka farany izahay noho ny fisian’ireo hosoka voaporofo ireo ny fisiany. 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT