Nandefa solontena teny amin’ny Live Hotel Andavamamba na manohana ny hetsika fitakiana ireo Nosy Malagasy tarihan’ny profesora Ratsimba James avokoa ireo filoham-panjakana nifandimby nitantana ny firenena nanomboka tamin’ny Repoblika faharoa hatramin’ny fitondrana tetezamita.
Tsy nahenoam-baovao na nandefa iraka manambara ny fivarotana na tsia ny «Iles Eparses» amin’ny fitondrana frantsay kosa ny fitondram-panjakana Rajaonarimampianina. Tsy nitsitsy fitenenana rahateo ireo olom-pirenena tonga teny an-toerana nilaza fa «mpivarotra tanindrazana ireo olom-panjakana tsy sahy mitsipaka ampahibemaso izany». Hitohy amin’ny fitakiana ireo orinasa lasan’ny mpanjanaka fa tsy hijanona amin’ny famerenana fotsiny ireo nosy manodidina ny tolona, hoy ny filohan’ny mandatehezana ivondronan’ny tia tanindrazana. Mety hiafara hatrany amin’ny fanonganana ny mpitondra fanjakana moa ity hetahetan’ny Malagasy efa te hisitraka ny tany miaraka amin’ireo harena be nobodoin’ny frantsay hatramin’ny taona 1960 ity raha tsy mandray andraikitra ny fitondrana mahefa.
Paikady anatiny sy …
Tanterahana ao anatin’ny fahendrena ary mifanaraka amin’ny lalàna ny paikady izay hiainga eny anivon’ny Antenimieram-pirenena avokoa. Anisan’izany ny famoahana ny anaran’ireo depiote mankato ity hetsika fitakian’ny vahoaka ity, ny fananganana ny vaomiera manokana hisahana ireo Nosy Malagasy ary ny fampiantsoana ireo mpikambana ao amin’ny governemanta ahitana ny praiminisitra miaraka amin’ireo minisitra voakasiky ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena.
…. iraisampirenena
Tsy hionona fotsiny amin’ny fifandresen-dahatra ato anatiny ny tolona iombonan’ireo Malagasy tia tanindrazana fa ampahafantatra ihany koa ny sehatra iraisam-pirenena. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny profesora Ratsimba James mantsy, ohatra, ny fihaonana amin’ireo tompon’andraiki-panjakana ambony vahiny raha tsy hilaza afa-tsy ny avy eo anivon’ny Vondrona eoropeanina any Bruxelles na koa ny fandraisan’ny filoha Rosianina Vladimir Poutine.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.