Politique

Hery Rajaonarimampianina Tsy mivaky loha amin’ny fahoriam-bahoaka ?


  • Talata 03 Novambra 2015

Raha voan-dalana hamahana ireo olana mianjady amin’ny firenena ankehitriny no nandrasan’ny maro avy amin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina taorian’ny fivahinianany nandritra ny herinandro tany ivelany dia samy niandry vasoka ny rehetra satria tsy nandrenesam-peo hatramin’izao izy

 

. Taratasy fampitam-baovao no voarain’ny orinasa fanaovan-gazety rehetra ny alahady 1 novambra hariva teo fa tafaverina an-tanindrazana ny filoha ary hihaona amin’ny mpanao gazety, ary ambara eny ihany io fotoana io. Hatry ny omaly anefa tsy nisy fiantsoana. Telo andro anio nahatongavana an-tanindrazana izany i Hery Rajaonarimampianina saingy tsy mbola manan-kambara ihany momba ny delestazy, ny raharaha « iles éparses », ny fifanolanana eo amin’ny fanjakana sy ny Tiko momba ny tanin’ny labatoara eny Andohatapenaka ary ny firongatry ny asan-jiolahy sy ny asan-dahalo manerana ny nosy. Ny tena nahatalanjona dia tsy nisy ny fanambarana ofisialy avy amin’ny fiadidiana ny repoblika momba ilay loza mahatsiravina nahafatesan’olona 18 sy naharatrana 30 hafa tany Bevoay ny alatsinainy lasa teo hatry ny omaly alina. Mahalala tsara ny zava-miseho eto Madagasikara ve ny filoham-pirenena sa tena miesona tanteraka ? Fitavozavozana sa tsy fahaiza-miasa sa tena tsy firaharahiana tsotra izao ny fahoriam-bahoaka ity ataon’ny mpitondra faratampony eto amintsika ity ? Nahoana no mangina tsy miteny manoloana ireo toe-draharaha maro mafampana eto amin’ny firenena. 3 andro aorian’ny nahatongavana ve tsy mbola misy ventin-kevitra azo ambara ihany fa miandry …miandry ihany. Sa tena izay mihitsy ilay hoe miandry fa gasy ?


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT