Politique

Hery Rajaonarimampianina Hilaza ny heviny momba ny raharaham-pirenena


  • Alatsinainy 02 Novambra 2015

Tafaverina an-tanindrazana taorian’ny fialantsasatra nataony tany Frantsa sy ny fanatrehany fihaonana an-tampony faha-3 an’i Inde sy Afrika tany New Dehli ny filoha Hery Rajaonarimampianina.

 


 Nambaran’ny fampitam-baovao ofisialy fa hisy ny fihaonana amin’ny mpanao gazety ataony eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha amin’ity herinandro ity hiresahany ny anton-diany sy ilazany ny heviny momba ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny. Maromaro tokoa ireo lohahevitra mafampana izay iandrasan’ny rehetra ny hevitry ny filohan’ny repoblika tahaka ny delestazy, ny raharaha tanin’ny labatoara eny Andohatapenaka izay mampifanolana ny Tiko amin’ny fanjakana, ny raharaha « Iles éparses » izay manomboka manintona ny sain’ny mpanara-baovao tato ho ato izay. Tsy adino ihany koa anefa ny lafiny filaminana sy fandriampahalemana sy ny toekarena amin’ny ankapobeny, indrindra manoloana ny resabe amin’ny tsy fananan’ny fanjakana vola intsony sy ny fahalainan’ny mpamatsy vola hanampy antsika. Momba ny dia tany Inde kosa dia nihaona tamin’ny praiminisitra Indianina  Narendra Modi sy ny minisitry ny siansa sy ny teknolojia ny filoha Malagasy. Nisy ihany koa ny fihaonana tamin’ny tale lefitry ny banky Indianina Exim Bank of India sy ny solontenan’ny banky afrikanina momba ny fampandrosoana. Fa nihaona tamin’Atoa  Sunil Bharti Mittal izay filohan’ny  Groupe Bharti Airtel ihany koa i Hery Rajaonarimampianina nandritra izao diany tany amin’ny firenena Gandhi izao. Nanara-dia ny filoham-pirenena tamin’izao fivoahany tany Inde izao Rtoa Atallah Béatrice minisitry ny raharaham-bahiny, Narson Rafidimanana minisitry ny Indostria ary Roland Ravatomanga minisitry ny fambolena.

 

Nangonin’i RTT


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT