Politique

Laza Razafiarison « Tsy misy azo antenaina amin’io CENI vaovao io »


  • Alarobia 04 Novambra 2015

Tsy antenaina hanova zavatra velively ny fijoroan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana, hoy ny filohan’ny Avotra hoan’ny Firenena Razafiarison Laza. Rafitra maty mantsy no terentsika hampandrosoana ny firenena izay efa olana nitranga nanomboka tamin’ny fitondrana tetezamita.

 

 Efa niainantsika hatramin’ny taona 2009 io olana ara-drafitra tsy niteraka fampandrosoana ho an’i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy io nefa dia mbola mikiry biby manohy izany ihany ny fitondram-panjakana mahefa ankehitriny, araka ny hevitr’ity kandida filoham-pirenena tamin’ny taona 2013 ity. Hiarantsika nahita rahateo ny asa notanterahan’ireo rafi-pifidianana lazaina fa mahaleotena sy ireo vokatra niotazana nanomboka tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka, ireo fifidianana nifanesy filoham-pirenena niaraka tamin’ny solombavambahoaka ary ny fifidianana kaominaly. Tsy voafehin’ny Ceni mihitsy ny fanomanana ny fifidianana amin’ny ankapobeny sy ny zava-misy rehetra eny anivon’ireo fokontany manerana ny nosy izay efa hananan’ny minisiteran’ny Atitany traikefa matevina be.Tokony hijanona amin’ny fikirakirana sy fanangonana miaraka amin’ny famoahana ny voka-pifidianana fotsiny kosa ny andraikitra mafonja takiana amin’ny vaomiera nasionaly misahana ny fifidianana, hoy ity mpanao politika ity.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT