Politique

Kaominina Antananarivo Renivohitra Manga ny fiaraha-miasa amin’ny region île de France


  • Talata 03 Novambra 2015

Manga ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny region île de France.

 

  Tonga nitsidika ny Ben’ny tanàna vaovao Ravalomanana Lalao sy ny lapan’ny tanàna etsy Analakely omaly Andriamatoa Robert Romero, filohan’ny region île de France no sady filoha lefitra misahana ny raharaha iraisam-pirenena any Eoropa, niaraka tamin’ireo delegasiona dimy mianadahy notarihiny. Niompana tamin’ny fampahafantaran’izy ireo  ny fandaharam-potoana mikasika ny fitokanana ireo fotodrafitrasa maro sosona  naoriny teto an-drenivohitra ny fihaonan’ny roa tonta ankoatra ny fiarahabany ny Ben’ny tanàna vaovao Lalao Ravalomanana. Nandray azy ireo  ny lefitry ny Ben’ny tanàna voalohany Ramiaramanana Patrick sy ny sekretera jeneraly Julien Andriamorasata. Nambaran’ireto farany tamin’ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety fa  vonona ny region île de France hanohy ny fiaraha-miasany amin’ny kaominina, fiaraha-miasa efa nisy teo aloha ary ezahina hohatsaraina hatrany.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT