• Zoma 04 Mey 2018
Politique.Guy Rivo Randrianarisoa Ravao ny governemanta …

Miakatra hatrany ny maripanan’ny politika eto amin’ny firenena. Manaraka ny ara-dalàna Izahay ary tsy miala amin'izay satria Solombavambahoaka voafidy tao anaty lalàmpanorenana.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 04 Mey 2018
Politique.Tolona etsy amin’ny 13 mey Mitady hiverina ny tantara

Hifarana amin’ny fananganana governemanta an-dalambe indray ary ve izy ity sa ahoana ? Io no fanontaniana miverimberina any an-dohan’ireo mpanara-baovao any, indrindra ireo efa niaina ny ngidin’ny vokatr’ireo krizy hafa nifanesy teto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 04 Mey 2018
Politique.Olivier Rakotovazaha Nitory an’i Hanitra Razafimanantsoa sy Hery Rasoamaromaka

Nametraka fitoriana eny amin’ny fampanoavana Anosy ny Loholona Olivier Rakotovazaha noho ny ambara fa herisetra natao azy sy ny mpiara-miasa taminy nandritra ny hetsika famoahana ireo mpiasa tao amin’ny biraon’ny antenimierandoholona nataon’ireo depioten’ny fanovana ny alarobia 2 aprily teo.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 04 Mey 2018
Politique.Fitokonana sy fidinana an-dalambe Tsy mbola misy akony ratsy amin’ireo mpandraharaha hatreto aloha

Tsy mbola manana olana aloha hatreto ireo mpandraharaha Malagasy na dia ao anatin’ny tolona hirosoana amin’ny fanovana aza isika eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 03 Mey 2018
Politique.Depiote ho an’ny fanovana Mitohy sy miha mafy ny tolona

Mikatso tanteraka aloha ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Mitombo hery hatrany ny herim-panoherana, ka mahavita mampikatso ny fampiodinan-draharaham-panjakana samihafa amin’ny alalan’ny fakana ny mpiasan’ny Minisitera isan-karazany ny depioten’ny fanovana. Omaly dia nihazo ny Minisitera maromaro teny Anosy izy ireo sy ny vahoaka mpitolona.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 03 Mey 2018
Politique.Antoko Marina “Tsy azo vahana ivelambelany intsony ny aretim-pirenena”

Herintaona sy tapany mialoha no efa tsinjonay izao zava-mitranga ankehitriny izao, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny antoko politika Marina, Désiré Ranaivoson, raha naneho ny heviny manoloana ny zava-misy ankehitriny.

Hamaky ny tohiny
FTT